Asa

Fikarohana

tent

Ny fikarohana ataon’ny ekipa Fanihy dia miompana amin’ny tontolon’ny aretina sy ny dinamikan’ny fanihy telo karazany eto Madagasikara: Pteropus rufus, Eidolon dupreanum, ary ny Rousettus madagascariensis.

Ny fanihy(sokajy Chiroptera) dia mizara ho zanatsokajy, Yangochiroptera sy Yinpterochiroptera, ito farany dia ahitana ny fanihy mihinana voankazo, Pteropodidae izay misy ny fanihy malagasy telo karazany. Ny fanihy dia fantatra fa mpitahiry otrikaretina maro izay mety miparitaka sy mankarary ny olombelona nefa kosa izy ireo dia tsy ahitana soritraretina. Ny asa fikarohana atao miaraka amin’ny Brook lab Oniversite ny Chicago dia mamakafaka ny hoe ahoana ny fivezivezen’ny viriosy eo amin’ny mponin’ny fanihy eto Madagasikara sy hanamarina fa ny fiarovana ny fanihy dia mety entina hanatsaranan’ny fahasalamambahoaka. Raha ny asa mahakasika ny viriosy ita amin’ny fanihy izay natao tany Australia dia namoaka petra-kevitra izahay hoe ny fanihy salama sy voa-aro dia mitazona kokoa ny viriosy tsy hiparitaka.

Ny fikambanana Ekipa Fanihy dia midina ifotony mandavantaona maka singa avy amin’ireo fanihy, mitily ireo singa azo anaty laboratoara ary manao fampahafantarana ny vokampikarohana eo aminy sehatra nationaly sy iraisam-pirenena.

 

Fampahalalana sy fampianarana

Izahay dia mikarakara atrikasa sy manome fiofanana ho an’ny mpikaroka Malagasy, indray mandeha isantaona izay tafiditra ao anatin’ny fiarahamiasa miaraka amin’ny Brook lab Oniversite ny Chicago.

E2M2

Atrikasa fampahafantarana amin'ny ankapobeany ny lozisiela R izay fikirakirana tarehimarika na statistika entina anazavana ny ekolojia sy ny epidemiolojia.

Fanampim-panazavana
Coding 4 Conservation

Programa fanarahamaso sy fanoroana mpianatra Malagasy izay mamarana taompianarana na mpikaroka Malagasy izay manoratra lahatsoratra ho avoaka ofisialy.

Fanampim-panazavana

Fiarovana tontolo iainana

bat

Ankoatran’ny fikarohana siantifika sy fampianarana, ny Ekipa Fanihy dia manantanteraka asa fiarovana ny tontolo iainana koa. Ankehitriny dia miaramiasa aminy Madagasikara Voakajy amin’ny fanarahamaso ny fivoaran’ny mponin’ireo fanihy sy ny anjara asan’izy ireo eo aminy tontolo iainana. Ny fanihy mpihinana voankazo dia misahana anjara asa goavana eo amin’ny fahaveloman’ireo hazo zanatany amin’ny alalan’ny fanapariahan’izy ireo ny vihy sy ny famindrana vony. Ny angavo na Eidolon dupreanum dia ohatra aminy izany anjara asa manoloana ny fahaveloman’ny hazo izany, satria izy irery no fantatra fa mpamindra ny vonin’ny baobab endemika (Adansonia suarezensis) izay ahiana ho lany tamingana. Ny fikarohana izay natao miompana amin’ny fiarovana ny fanihy dia nahitana fa ny fanihy be (Pteropus rufus) dia tandindon-doza nohon’ny fitrandrahana tsy voahevitra ny ala sy nohon’ny izy ireo mbola betsaka ny olona mihaza atao sakafo. Isan’ny tanjon’ny Ekipa Fanihy dia hiaro ny lohasaha izay ipetrahan’ireo fanihy be. Izahay dia miaro ny toeramponenan’ireo fanihy be tahakan’ny lohasaha maromaro ao amin’ny kaominina Analasoa sy Mandialaza faritra Alaotra Mangoro. Marihana fa ireo toerana ireo dia misy mitrandraka ny ala zanatany ary koa mbola lasibatry ny dorotanety isantaona. Miara miasa aminy kaominina,ny fokontany sy ny fokon’olona izahay sy manana fikasana hanorina VOI na Vondron’Olonaa Ifotony eny antoerana. Manana vinan’asa hanatsara ny tetezana sy ny lalana izay tena mila fikijakojana eny antoerana koa ny Ekipa Fanihy.