Association Ekipa Fanihy

Izahay dia fikambanana miorina eto Antananarivo, manao asa fikarohana manodidina ny aretina sy ny tontolony,manentana sy mampianatra, ary mikajy ny tontolo iainana. Nisafidy ny anarana hoe Ekipa Fanihy ny mpikambanana satria ny asa atao dia miompana amin’ny fikarohana, fampahalalana, sy fiarovanan’ny fanihy telo (03) karazany izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara: Pteropus rufus (fanihy be), Eidolon dupreanum (angavo), ary ny Rousettus madagascariensis.

Ny fikambanana Ekipa Fanihy dia nijoro arapanjakana tamin’ny Novambra 2022, fa ny mpikambanana mpanorina kosa dia efa niarasa nanomboka ny taona 2013, izay ahitana ny Dr.Hafaliana Christian Ranaivoson sy Dr. Cara Brook, tamin’izy ireo nanao ny Doctorat mahakasika ny tontolon’ny aretina sy ny fivezivezin’ireo fanihy telo karazany ireo. Ny tanjon’ny Ekipa Fanihy dia hanamafy fiarahamiasa aminy alalan’ny fampiroboroboana ny fahalalana, fampitaovana ary fifanakalozana misy eo aminy mpikaroka Malagasy sy Vahiny.

bat