Izahay dia mandray mpikambana foana handrafitra ny fikambanana sy hiara-iasa.
Singanina manokana amin’ny izany ireto olona voasokajy manaraka ireto:
Ny tolotr’asa rehetra dia aparitaka amin’ny aterineto ankoatran’ny filatsahana antsitrapo. Ka raha tafiditra amin’ny ireo sokajy voalaza etsy ambony ianao sy liana amin’ny asa fikarohana manodidina ny tontolon’ny fanihy eto Madagasikara dia aza misalasala mandefa mailaka : team@ekipafanihy.org.
Ny Ekipa Fanihy dia mampiofana sy mandray antanana mpianatra manomana Matser iray isantaona avy ao aminy fakioltean’ny siansa Oniversite ny Antananarivo. Ny tolotra dia asa raikitra izay maharitra iray taona miaraka amin’ny fanoratana ny boky. Ny mpianatra dia manana andraikitra amolavola ny teboka izay tiany hanoratana ny bokiny, manangona ireo refy rehetra ilainy any ifitony, ary mamakafaka ireo vokatra azony tamin’ny alalan’ny ireo refy azo avy ifotony. Ny mpianatra hanao Master dia tsy maintsy manana mpampianatra mpiahy avy ao amin’ny Oniversite ny Antananarivo sy mahafeno ny fepetra rehetra ahafahany miroso amin’izany fanaovana Master izany. Ny fifehezana teny Anglisy/Frantsay dia hamporisihina satria manampy betsaka amin’ny fanatontosana ny fikarohana. Ny mpianatra voasivana dia manao 3-5 volana anaty ala, 3-4 volana laboratoara, ary 3-4 volana manoratra boky.
RANAIVOSON Hafaliana Christian no mpitarikan’ny fikambanana Ekipa Fanihy. Fifandraisana: christian.ranaivoson@ekipafanihy.org.
Manatanterakan’ny dingana aorianan’ny docotrat (Postdoctoral) ao amin’ny Brook Lab izay anatin’ny departemantan’ny “Ecology and Evolution” Oniversite ny Chicago ankehitriny. Izy dia mitarika ny asa Next Generation Sequencing (NGS)izay itilianan’ny viriosy ita amin’ny fanihy. Izy dia niasa tao amin’ny Institut Pasteur de Mdagascar tamin’ny maha enjeniera mpikaroka tao amin’ny sampana virolojia. Christian dia nahazo ny diploma Master sy PhD tao aminy departemantan’ny “Zoology and Animal Biodiversity” Oniversite ny Antananarivo, izay niompana tamin’ny fifindrafindrana sy toerana ahitanan’ny parazita “erythrocytic” ny fanihy, indrindra fa ny Babesia spp. ny fanihy be Pteropus rufus. Izy ihany koa dia efa nanao fikarohana momban’ny aretina mpahazo ny fozaorana sy kakana ita amin’ny biby mangatsia-drà .
ANDRIANIAINA Angelo teknisianina mpikaroka ao amin’ny fikambanana Ekipa Fanihy. Fifandraisana: angelo.andrianiaina@ekipafanihy.org.
Izy dia mpianatra “Doctorat” ao amin’ny departemantan’ny “Zoology and Animal Biodiversity, Oniversite ny Antananarivo Madagasikara. Ny fikarohana ataony dia miompana amin’ny fiovana ita amin’ny bibikely mipetaka ivelany (ectoparasites) izay ita amin’ny fanihy Eidolon dupreanum sy Rosettus madagascariensis sy ny fiantraikan’izany amin’ny dinamikan’ny aretina afindran’ny bibikely tahakan’ny Bartonella spp.Angelo dia manana diploma Master amin’ny fanajariana ny biby ( Animal Conservation) sy efa niasa tamin’ny fanarahamaso ny gidro ao anatin’ny fambolena “vanille” tany amin’ny faritra Avaratra Antsinanan’ny Nosy sy ny manodidinan’ny biby mampinono madinika manodidinan’ny Distrikan’ny Moramanga. Izy dia mpikambana nanomboka ny taona 2018.
ANDRY Santino dia teknisianina mpikaroka ao amin’ny fikambanana Ekipa Fanihy. Fifandraisana : santino.andry@ekipafanihy.org.
Izy dia nahazo ny diploma Matser tao amin’ny Departemantan’ny “Entomology” ny Oniversite ny Antananarivo Madagasikara, izay nandalinan’ny vokatran’ny fanimbana ny ala aminy mponin’ny vitsika tao amin’ny faritra vaovao arovana Ambohidray Moramanga. Santino dia nandrafitra ny Ekipa Fanihy nanomboka ny taona 2019 ary hanohy ny doctorat miaraka aminy Ekipa ny taona 2024.
RAKOTOARIJAONA Avotra dia misahanan’ny arataratasy sy ny arabolan’ny Ekipa Fanihy. Fifandraisana: avotra.rakotoarijaona@ekipafanihy.org.
RATSIMAMANGA Rova Indrianala dia mpianatra Master miaraka amin’ny Ekipa Fanihy.
Izy dia manomana Master ao amin’ny Departemantan’ny “Zoology and Animal Biodiversity” ny Oniversite ny Antananarivo Madagasikara. Ny fikarohana ataony dia miompana amin’ny parazita Bartonella spp ita amin’ny fanihy. Rova dia niditra ho mpikambana nanomboka ny Febroary 2023.
Dr. BROOK Cara dia mpanolotsaina siantifikan’ny Ekipa Fanihy. Fifandraisana : cara.brook@ekipafanihy.org.
Izy dia “Assistant Professor” ao amin’ny “Department of Ecology and Evolution ao amin’ny Oniversite ny Chicago. Ny Brook Lab dia manadihady ny Ekolojia sy dinamikan’ny fivoaran’ny aretimifindran’ny biby, indrindra izay fantatra fa tahirizin’ny fanihy. I Cara dia nametraka fanamby hamakafaka lalina ny fikarohana izay ataony, hampiroborobo ny tontolon’ny siansa ary ny fahaiza-manao eto Madagasikara. Nahazo ny Doctorat amin’ny “Ecology and Evolutionnary Biology” tao amin’ny Oniversite ny Princeton ny taona 2017 sy diploma amin’ny “Earth Systems tao amin’ny Oniversite ny Stanford ny taona 2010 izy.
BAKSH Nuzha dia mpilatsaka antsitrapo ao amin’ny Ekipa Fanihy.Fifandraisanan: nuzha.baksh@ekipafanihy.org.
Izy dia isan’ny mpandrindra ny fandehanana midina ifotony maka ireo singa ilaina avy amin’ny fanihy izay fiarahamiasan’ny Ekipa Fanihy sy ny Brook Lab. Manana marimpahaizana “B.S” amin’ny “Zoology and a Minor in Linguistics” tao amin’ny Oniversite ny Santa Barbara izay nandalinanin’ny vokatran’ny “chytrid fungus (Batrachochytrium dendrobatidis) mpahazo ny sahoana teny amin’ny faritra manodidina’ny Nevadas sy East Bay, California tamin’izy niaraka tamin’i Dr.Cherie Briggs.
McGUIRE Michael dia mpilatsaka antsitrapo ao amin’ny Ekipa Fanihy. Fifandraisana: michael.mcguire@ekipafanihy.org.
Izy ihany koa dia isan’ny mpandrindra ny fandehanana midina ifotony maka ireo singa ilaina avy amin’ny fanihy izay fiarahamiasan’ny Ekipa Fanihy sy ny Brook Lab. Manana marimpahaizana “B.S” amin’ny “Wildlife and Fisheries Biology and a minor in Geography” tao amin’ny Oniversite ny Vermont. Manana traikefa amin’ny fampianarana manajary ny tontolo iainana,”backcountry canoe & kayak guiding” tao Wisconsin, fanarahana ny “snowshoe hares” tao Colorado, nanampy tamin’ny asa fanaovana oronantsary tamin’ny fijerevana “microplastics” tamin’ny reniranon’ny Mississippi, fanamboarana lalantsara niaraka tamin’ny Americorps tao amin’ny Olympic National Park.